Hoy ny namana iray:
TSY HOE ny fivavahana kristiana akory no nitondra ny fahalalana ny atao hoe Andriamanitra teo amin'ny Malagasy. Efa nino an'i Zanahary/Andriananahary ny Malagasy talohan'io.
Marina tokoa ity tenin'ny namana ity satria nobitsihin'Andriamanitra tao amin'ny olona rehetra sy ny fokom-pirenena rehetra manerana izao tontolo izao ny fisiany miseho amin'ny asan'ny tanany araka izay voalaza ao amin'ny Romana 1:19-20. "Izay fantatra ny amin'Andriamanitra dia miseho ao am-pon'ireny, fa nasehon'Andriamanitra taminy...ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony". Tsy ny malagasy ihany fa tao amin'ny olona rehetra ny fahalalana ny fisian'Andriamanitra Mpamorona, Mpiahy ny zavaboahary rehetra. "Maniraka ny Fanahinao Ianao, dia ary izy, ary manavao ny tarehin'ny tany Ianao" Sal 104: 30. KANEFA ny mampalahelo dia "ny voninahitra'Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lo sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka; ary ny fahamarin'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, izay isaorana mandarizay. Amena" Romana 2: 23, 25.
Hoy koa ny namana anankiray:
Ho an'izay manana ny finoany tsy manaraka ny kristianisma izany dia ahoana? Very faty ve izany izy ireo?
Mitombina tokoa ny fanontanianao ary Paoly koa dia nilaza tahatahaka
an'io: " Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony
ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha
tsy misy mpitory? Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahiana?"
Romana 10: 14-15 Izay maty tsy nitoriana ny Lalàna (filazantsaran'ny
fanamarinana maimaimpoana) dia ho tsarain'Andriamanitra araka ny feon'ny
fieritreretany (conscience) ihany. " Fa na oviana na oviana ireo jentilisa
(tsy jiosy) tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian'ny
lalàna araka ny nahim-pony, dia lalan-tenany ihany, fa ireo maneho
ny asan'ny lalana ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony."
Romana 2:12, 14-15 Fa isika izay efa notorina kosa dia tsy manan-kalahatra
satria efa nampahalalana ny mazava.
| Mialy Rabe Ranjanivo |