Teny Fiainana

Ry malagasy havana tonga mitsidika ity home-page ity, aoka ho fantatrao fa TIA anao Andriamanitra ary te hanome FIAINAM-BAOVAO ho anao. Ny Fiainana homeny dia ao amin'i Jesoa Kristy ZANANY satria hoy Kristy:
"Izaho avy mba hananany FIAINANA, SADY HANANANY FIAINANA be dia be" Jaona 10:10. "Kristy tokoa no Ilay TENY tonga nofo ka nonina tamintsika ary Izy no nisiam-PIAINANA ary ny FIAINANA no fanazavana ny olona". Jaona 1:4,14.Te hanome anao FIANANA Andriamanitra. Mino ve ianao?

 Inona ny TENY FIAINANA?

 Ny TENY FIAINANA dia teraka indrindra mba hanampy anao HINO ny fahasoavan'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny FAMONJENA natolotr'Andriamanitra ao amin'i Jesoa Kristy Zanany miray amin'ny Fanahy Masina.

Ny TENY FIAINANA dia fandaharana mivoaka isan-kalahady hatolotra ny internet-n'ny malagasy manerana izao tontolo izao ao amin'ny fbra2.

 Ny TENY FIAINANA dia nanomboka namoaka ny fandaharana 1 tamin'ny Alahady 31 Marsa 1996 teo anivon'ny fbra2 ary tsy mbola nitsahatra hatramin'ny anio noho ny fahasoavan'Andriamanitra.

 Ny TENY FIAINANA dia misy fandaharana karazany 4:

  1. Fiarahana mandinika baiboly
  2. Vetsom-panahy (Toriteny sy fampianarana)
  3. Fanontaniana avy amin'ny mpamaky TENY FIAINANA sy valiny
  4. Handeha hiara-mivavaka: vavaka ho an'ny mpamaky fbra2, malagasy rehetra eran'izao tontolo izao, vavaka manokana angatahinao.

Ity manaraka ity mikasika ny organizasiona.

 Ny TENY FIAINANA dia iandreketan'ireto olona manaraka ireto mivantana:
 
Mialy Rabe Rajanivo USA  Mpiandraikitra voalohany, Mpandrindra
Lala Rasoloarijao FRANTSA  Mpikarakara ny Web-page
Tantely Andriamanankasina JAPANA  Mpanohana amim-bavaka, mpitady vaovao kristiana @ internet , fampaherezana, toriteny, hetika kristiana, tsangan'olona ao @ baiboly 
Didy Ramambason KANADA  Toriteny, teny fampaherezana, lohahevitra kristiana, etika kristiana 
Hanitra RATOVOARISOA-ANDRIAMANANKASINA FRANTSA  Mpandray anjara lohahevitra, fampaherezana, toriteny. 
Fanja Jeannette Ramiarantsoa ALEMANA  Mpandray anjara lohahevitra, fampaherezana, toriteny. 
Rajaonarifetra Andriamaro Côte d'Ivoire  Mpiandraikitra tsanta sy dera 
Laza Nomenjanahary FRANTSA  Mpandray anjara lohahevitra, fampaherezana, toriteny. 
Charnette Eulalie RAHAINGONIVOLA MADAGASIKARA Mpandray anjara lohahevitra, fampaherezana, toriteny. 

An-tsitrapo sy noho ny fahatsapana ny fanirahan'Andriamanitra hitory sy hanambara ny fanjakany no nirotsahan'ireo olona ireo hiasa amin'ny TF. (Matio 18:19)

 Ny Kristiana rehetra eto amin'ny fbra2 kosa na ireo kristiana izay mitsidika ny pejy dia mpanohana amim-bavaka ny TENY FIAINANA.

 Ny TENY FIAINANA dia miara-miasa amin'izay rehetra mino, na fikambanana na olon-tsotra, fa Jesoa Kristy no HANY lalam-pamonjena natolotr'Andriamanitra ho an'izao tontolo izao ary izay mino Azy dia hanana fiainana mandrakizay. Mino ny fahamarin'ny baiboly ho tenin'Andriamanitra, mino koa fa Andriamanitra dia miseho amin'ny persona telo (Jesoa Kristy, Fanahy Masina, Andriamanitra Ray) nefa IRAY amin'ny asa rehetra tamin'ny famoronana sy ny famonjena izao tontolo izao.

Koa deraina anie Andriamanitra mandrakizay noho ny tsy famelany ny olona rehetra ho very fa mitady lalana Izy hitaomana ny tsirairay. Ho deraina Izy fa Izy no nampanjary ny TENY FIAINANA ary ho voninahitra ho Azy irery anie NY TENY FIAINANA.

Mialy Rabe Ranjanivo misolo tena ny namana rehetra mpikarakara mivantana ny TENY FIAINANA.
 
 
Mialy Rabe Rajanivo

Pejy nataon'i Lala Rasoloarijao / 20 aogositra 2002