Andriamanitra ô, marobe tokoa ny fototry ny tahotra izay manjaka aminay olombelona. Mampihorohoro ireny ary mahakely aina anay tokoa. Jereo amin'ny famindramponao izahay ry Tompo ô.
Jereo amin'ny fiantranao ary AFAHO amin'ny tahotra maro samihafa. Aza avela ny TAHOTRA hangeja ny fanahinay. Tapaho ny gadran'ny tahotra ao amin'ny saina, vatana ary fanahin'ny olona rehetra mamaky ity vavaka ity.
Fenoy ny fahatokiana ny HERINAO tsitoha izahay na mandeha aiza na aiza amin'ny alehalany rehetra.
Izany sy izay rehetra mahasoa anay dia angatahinay amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Mpamonjy anay.
Amen!
| Ranjanivo Mialy Rabe |