"Satria hoy ianao: Jehovah ô, Ianao no aroko, sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, dia tsy hisy loza hanjo anao, na aretina hanakaiy ny lainao. Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao.
Salamo 91: 9,10

"Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa. Aza matahotra fa; mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo."Lioka 12:7

TAHOTRA


Mampihorohoro ny fanahy ny TAHOTRA. Mampalemy ny saina sy ny vatana ny TAHOTRA. Mampisamboaravoara ny TAHOTRA. Mety mifindra amin'ny olona ifampiresahina ny TAHOTRA. Mety miampita amin'ny taranaka koa ny TAHOTRA. Mandroaka ny fiadanana, ny hasambarana, ny fifaliana ny TAHOTRA. Ary tsy mifototra amin'ny marina ny TAHOTRA fa HONOHONON'NY SAINA mazana. Ny fanahiana mitarika TAHOTRA.


Ahoana ary hoy Jesoa mikasika ny tahotra?


Mazava fa tsy tian'Andriamantira HATAHOTRA ny mpianany. Maro no mety fototry ny tahotra izay hiarovan'Andriamanitra ny mpianany.


Ny tahotra ny maty na matoatoa na ny fanahy tsy fantatra:

"Izaho ihany, aza matahotra" hoy Jesoa (Jaona 6:20) raha noheverin'ny mpianany fa matoatoa Izy. Tsy tiany hanjakan'ny tahotra ny mpianany.


Ny tahotra vokatry ny FANAHIANA ny adim-piainana:

Ny fanahiana dia teraka avy amin'ny tahotra ny ampitso mitondra loza (hanohanana, fitanjahana, fahafaham-baraka, tsy fananan-trano, tsy fahombiazana amin'ny asa na ny fianarana, tsy fananan-janaka na tokantrano...) Ny fanahiana dia mahatonga ny tenin'Andriamanitra tsy hamokatra finoana ao am-pon'ny olombelona fa mangeja toy ny tsilo izy. Izany dia araka ny voalaza ao amin'ny Matio 13:22:"ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy".

Ity resaka fanahiana ity no votoatin'ny tenin'i Jesoa hoe:"aza matahotra fa mihoatra noho ny tsintsina ianareo. Na ny volon-dohanareo aza dia voaisa". Na dia milaza aza ny manam-pahaizana fa miisa eo amin'ny 110 000 eo ny isan'ny volon-dohan'ny olona manana volo mainty, raha 100 eo no mihintsana isan'andro araka ny voalazan'ny fandinihana ihany...ahoana marina no ahafantarana ny isan'ny tena volon'ny olona iray? tsy manaporofo ity teny ity fa mahay Andriamanitra (mahefa ny zavatra rehetra Izy ary tsy mila manaporofo ny fahefany), fa kosa milaza ity fa MAHALALA ny tsirairay Andriamanitra ary MISY DIKANY aminy ny olombelona tsirairay ary tokony hahatsiaro izany izy raha sendra ny hasarotana.


Mamono ny fahasalamana anie ny tahotra avy amin'ny fanahiana ary tsy sitrak'Andriamanitra ny tahotra hangeja ny olona.

Ahoana ary no tokony hataonao raha matahotra ianao?



Koa AZA MATAHOTRA fa tsy mandao anao Andriamanitra fa ankaiky Anao ary miandry ny vavakao Izy ary mitaky ny finoanao.


AMEN

Ranjanivo Mialy Rabe

Dia mametraka veloma ho anao ary mirary ny fiadanan'Andriamanitra hitoetra ao an-tranonao lalandava.



Hoy Mialy sy ny mpikarakara ny TF rehetra.

Pejy nataon'i Rasoloarijao Lala / 02 oktobra 2007