"Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho ; dia hahita fitsaharana ho an地y fanahinareo ianareo. Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako." Matio 11: 28-30
Miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'i Jesoa Kristy indray. Mikasika ny fahamasinan'ny anaran'Andriamanitra no hoentina androany. Didy fahatelo amin'ny didy folo nomen'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Mosesy (Eks. 20). Tiako hotsiahivina vetivety ny antony lehibe nanomezana ny lalana. Raha lavo tao amin'ny saha Edena ny olombelona dia tsy maintsy mila famonjena satria lasa andevon'ny ota. Andriamanitra dia nandefa ny Zanany lahitokana hamonjy maimaimpoana amin'ny alalan'ny finoana. Ka naninona ary raha tsy tonga dia nomena hatramin地y voalohany I Kristy fa tsy nasiana ny lalana sy ny mpaminany ? Voalohany indrindra dia ny lalana sy ny mpaminany dia manambara an'i Kristy.
Rehefa tonga i Kristy dia amin'ny alalan'ny lalana sy ny mpaminany no ahafantarana sy iorenan'ny finoana, fa io ilay Mesia voalaza. Raha tsy nisy ny lalana sy ny mpaminany dia tsy misy ahafantarana an'i Kristy. Faharoa, ny lalana dia ahafantarantsika ny fenitr'Andriamanitra. Tsy mahavonjy ny lalana kanefa dia nomena. Mila mahatsapa ny olombelona fa lavon'ny fahotana, andevon'ny ota, mila famonjena. Ny tsy fahatanterahantsika ny lalana (a 100%) no ahatsapantsika izany. Raha tsy misy ny lalana.dia tsy mahatsapa ho malemy, andevon'ny ota ny olona.
Ny didy fahatelo dia mikasika indrindra ny fomba fiatrehana an但ndriamanitra, izay voalaza fa tsy maintsy heverina lalina, amin'ny fanajana sy fankatoavana tanteraka an'Andriamanitra. Misy fandrarana mafy eto : Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao.
Ny zavatra tsapa voalohany eto dia ny maha-sarobidy ny anarana. Ary manaraka izany ny tokony haha-masina ny anaran'izay heverina ho Andriamanitra eo amin'ny tsirairay. Ary indrindra indrindra ny maha-lehibe voninahitra sy hery an'i Jehovah Andriamanitra sy ny maha-sarotiny Azy mikasika ny anarany. Voafono ao anatin'izany ny fankahalana mafy ny fampitoviana laharana Azy amin'ny andriamanin-kafa. Ao amin'ny vavaka nampianarin'i Jesoa Tompo dia misy ho "Hohamasinina anie ny Anaranao". Raha mianiana isika na manome toky amin'ny anaran'Andriamanitra, kanefa tsy mahatanteraka izany dia manao tsinontsinona ny anaran'Andriamanitra.
Andriamanitra dia tsy azo vazivaziana (Gal. 6/7). Raha mitondra ny anaran'i Kristy isika kanefa mitohy mitoetra amin'ny ota ihany fa tsy mibebaka dia manao tsinontsinona ny anaran'i Kristy. Manaja amin'ny molotra kanefa ny fo lavitra, "Foana ny ivavahan'ireo Amiko" hoy ny teny nampitondraina an'i Isaia (Matio 15/8-9), tsy ankasitrahan但ndriamanitra ny fanatitra (Isaia 1/11), zava-poana ny fivavahana (Jakoba 1/26).
Raha mampiasa ny anarany tsy amim-pandinihana tsara, na amin地y fikasana ratsy, na manao vavolombelona mandainga isika kanefa mianiana amin地y anaran但ndriamanitra dia manao tsinontsinona ny anarany (Mat. 5/33). Misy sazy mafy mihatra ho an段zay tsy mahatanteraka.
Hataon段 Jehovah tsy ho manantsiny (ho meloka) izay manonona foana ny anarany. Mety hihevitra isika fa tsy mihatra amin地y tena na ny fianakaviana na ny fananana mivantana ny sazy, saingy Andriamanitra milaza mazava fa tsy hamela ary hamaly.
Izay efa nandray an段 Jesoa dia aoka hiezaka hatrany hiady ary tsy ho lavon ny fandrik段 Satana. Raha sendra manota kosa aoka hibebaka sy handray ny famelan-keloka. Dia mametraka ny veloma indray amin地y anaran段 Jesoa.
| Andriamanankasina Tantely |
Dia mametraka veloma ho anao i Fanja sy Tantely ary ny mpikarakara ny TF rehetra ary mirary hatrany ny fiadanan'ny Tompo ho aminao lalandava.
Happy Birthday Tantely 4 Septambra!