Misy fangataham-bavaka
58
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(56)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
22 novambra 2002 20:24 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka ho an'ny namana Rakotodavid Olivanaina, izay difotry ny asa marobe momba ny fifidianana hatrehin'ny firenena izao.Maniry sy mbola vonona hanohy ny asa miaraka amin'ny TF izy, saingy tsy mbola manana adiresy e-mail amin'izao. Efa mikasa hanokatra izany ato ho ato. Apetraka amin'ny Tompo izany rehetra momba an'i David izany, hahafahany mampandroso ny fitoriana ny anaran'i Jesoa Kristy.
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(55)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
21 novambra 2002 20:00 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Manomboka ireo tetikasa lehibe "Protection Sociale" hiarahan'ny Fiangonana amin'ny Fiaraha-monina, hatramin'ity Novembre 2002 ity, mandritry ny 1 taona. Vahoaka maro no hiasa amin'ny sandry. zaraina isan'andro ny karama. systéme HIMO (haute intensité de main d'oeuvre) no ampiharina. Mangataka vavaka ho an'ireo Kristiana hanana andraikitra amin'izany, mba tena hijoro amin'ny fahamarinana tokoa hisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra, ka hahafahana mitaona olona maro hanaraka Azy.
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(53)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
03 novambra 2002 17:19 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Miroso @ireo tetikasa fampandrosoana ny firenena ankehitriny ny Fanjakana, ary mametraka toerana sy andraikitra @ fiangonana. Koa mangataka vavaka hahitan'ny Fiangonana tetikasa tena mahasoa ny maro tokoa, ary mba tsy ho ny vola no atao tanjona fa ny fitoriana an'i Kristy no banjinina @izany, mba hisehoan'ny voninahitry ny Tompo.
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(52)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
07 oktobra 2002 20:40 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka ho an'ireo sembana avy any Mananara sy Maroantsetra izay manana fahavononana hiatrika ny ho aviny. Ary maniry mba tsy ho vesatry ny fiaraha-monina intsony. Maro amin'izy ireo no manam-pinoana an'i Kristy fa mbola misy tsy mbola manana. Mba hitombo finoany ary hatanjaka hatrany ny herintsainy hiatrehany ny ho aviny eo ambany fitantanan'ny Tompo Jesoa Kristy.
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(50)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
27 septambra 2002 23:51 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mila vavaka mitohy ho an'ny Filoham-pirenena sy ny Mpitondra Malagasy miaraka aminy, eo anatrehan'izay mety ho hevi-dratsy rehetra entina haminganana ny firosoan'ny firenena Malagasy amin'ny fahamarinana sy fahamasinana.. ary mba tsy hanjaka intsony ny kolikoly vokatry ny fitiavam-bola be loatra. Jesoa Kristy Tompo no Andry anankinantsika izany tolona am-bavaka izany.
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12