Misy fangataham-bavaka
58
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Anarana
Ranivolalasoa
(63)
Fanampin'Anarana
Rondro
Daty
14 febroary 2003 15:43 GMT
Firenena
France
Fangataham-bavaka
Mangataka hitondra amam-bavaka ny Tanora kristianina eto aminay fa mila vola eo @ 2500€ eo hahafahana hitory filazan-tsara @ alalan'ny hira any Nice @ volana mai 2003 izao. Betsaka ny zavatra ho tontosaina hanatanterahana izany, izay hapetraka amin'i Tompo koa.
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(62)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
08 janoary 2003 20:21 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka ho an\'ny zaodahiko Rakoto Ramiarantsoa Bertin izay ao anatin\'ny tsy fahasalamana ankehitriny, mba hahery sy hazoto hifantoka amin\'ny Tompo izy sy ny fianakaviany. Toerana mbola feno fanompoantsampy rahateo no misy azy ireo. Mankasitraka ny amin\'ny fifampitondrana amim-bavaka. Ary ho an\'Andriamanitra irery ny Voninahitra
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(59)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
24 desambra 2002 20:48 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Amin'izao fetin'ny Noely izao, dia mangataka vavaka ho an'ireo zaza mirenireny an-dalam-be manerana ny tany, indrindra ny eto Gasikara. Ho tontosa anie ireo tetikasa naompana ho azy ireo amin'io taona ho avy io. Ho Noelim-pifaliana sy feno fiadanana anie ity Noely ity!
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(58)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
12 desambra 2002 17:12 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Antomotra ny andro fifidianana. Samy manao izay heriny avokoa ny rehetra hahatrarana ny tanjona kendreny avy. Efa tsapa fa samy manao ezaka hiova hotsaratsara kokoa ny tsirairay. Koa mangataka vavaka mba hotontosa amim-pahendrena ny fifidianana, ary samy hibanjina ny Tompo ny rehetra amin'izany,ka samy hahery mivavaka avokoa. Misaotra amin'ny fifampitondrana amim-bavaka. Hiseho mandrakarva anie ny Voninahitr'Andriamanitra.
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(57)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
29 novambra 2002 20:27 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Isaorana ny Tompo Jesoa Kristy fa tontosa tsara ny fananganan'ny tanora eto Toamasina tampontanana ny drafitr'asa ho an'ny aviny (plans d'actions) Koa mangataka vavaka ho amin'ny fahatanterahan'izany fikasana izany ary ho amin'ny fanarahany an'ny Tompo bebe kokoa. Ho amintsika anie ny Tompo, ary mankasitraka feno antsika rehetra
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12