Misy fangataham-bavaka
58
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(71)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
14 mey 2003 04:39 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Ho fiomanana amin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fianakaviana, 15 Mai, dia mangataka vavaka ho an'ny ankohonana rehetra mba hanao zava-dehibe ny Tenin'Andriamanitra ho fiainana isan'andro isan'andro. Ho feno fifaliana lalandava anie ny fiainam-pianakaviana eran-tany.
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(70)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
06 mey 2003 19:48 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka ho an'ny Nosy izay tandindonin'ny rivo-doza ankehitriny, mba tsy hisy fahapotehana ateraky ny fandalovana. Hazoto hitolona amim-bavaka anie ny Malagasy rehetra,hametraka ny hoaviny rehetra amin'Andriamanitra, Tompo sy Manam-pahefana amin'ny fiainantsika olombelona, Izay afaka manao zava-mahagaga. Amen
Anarana
Smet
(69)
Fanampin'Anarana
Nancy
Daty
18 aprily 2003 09:00 GMT
Firenena
Belgique
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka mba ho teraka soa amantsara fa miandry andro aho, mba hiditra antsehatra Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra atao mba ho azy irery ny voninahitra
Anarana
RAKOTOVAO
(67)
Fanampin'Anarana
Herimandimby
Daty
01 aprily 2003 19:50 GMT
Firenena
France
Fangataham-bavaka
Mangataka fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Avo indrindra, hitantana antsika tsirairai avy, inrindra amin'izao fotoana sarotra izao. Enga anie Tompo ô ,Ireo mpitondra firenena izay eo en-tsehatry ny ady dia mba hatoronao ny lalana tsara mba hahay handefitra , ka hahita ny ala-olana hitsaharan'ny fahorian'ny zanakao rehetra eto amin'izao tontolo izao! Ampio izy ireo mba haahy mibanjina anao ka mba hiroboro ao am-pon'izy ireo tsirairay avy ny fitiavana ny rahalahiny, na samy hafa viaviana aza! Amen
Anarana
Rahaingonivola
(66)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
12 martsa 2003 05:57 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka ho an\'ireo sehatrasa miankina amin\'ny Fiangonana rehetra izay anankinan\'ny fanjakana adidy amin\'ny fampandrosoana ny firenena malagasy ankehitriny. Andraikitra ngeza sady sarotra, koa miangavy fifampitrotroana am-bavaka ho an\'ny mpiandrikitra amin\'izany mba ho feno fahendrena sy faharanitan-tsaina ary indrindra finoana amin\'ny fanatanterahana izany. Mankasitraka sahady ny fifampitrotroana eo amin\'ny Tompo Jesoa Kristy.
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12