Misy fangataham-bavaka
58
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(76)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
14 jona 2003 19:20 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Amin'izao fitsingerenan'ny fetin'ny ray izao, dia mangataka vavaka ho an'ny ray rehetra mba ho maodely amin'ny fitarihana ny ankohonany amin'ny fiainam-panahy araka an'Andriamanitra anie. Ho ray be fitiavana sy feno fifaliana ary fanantenana amin'ny fiainany rehetra. Ho lohany hatrany anie ny ray amin'ny fampandrosoana miandry amin'ny firenena. Andriamanitry ny fiadanana anie hampahery ny ray rehetra amin'ny androny rehetra. Amen
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(75)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
28 mey 2003 18:13 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka ny hitondrana amim-bavaka ireo rehetra afaka asa, eo anatrehan'ny zava-misy eto amin'ny firenena. Hifototra bebe hatrany amin'Andriamanitra anie izy ireo ho fiatrehany izany na manokana na miaraka amin'ny fandaharan'asa mikarakara izany. Hanjaka hatrany anie ny fahamarinana amin'izay mety hofitsinjovana azy ireo. Ny Tompo anie hampahery azy ireo mandrakariva, ka hampitraka azy hatrany. Amen
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(74)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
25 mey 2003 17:28 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka ho an'ny reny rehetra izay nahatratra ny fety natokana ho azy androany 25 mai 2003.Ho feno hery avy amin'Andriamanitra anie izy ireny amin'ny fiatrehany ny adidiny amin'ny zanany na taizany ary indrindra amin'ny andefimandriny avy. Hahay hifaly ao amin'ny Tompo mandrakariva anie ny reny rehetra amin'izay mitranga amin'ny fiainany. Mba ho ny Tompo Jesoa Kristy hatrany anie no ho tompoiny ambonin'ny ankohonany. Amen
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(73)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
22 mey 2003 20:06 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka fiombonam-bavaka ho an'ireo tra-boina tamin'ny fandalovan'ny rivo-doza Manou tao amin'ny faritr'i Vatomandry. Hahery sy hatanjaka anie ny ara-panahin'izy ireo, eo ambanin'ny fitarihan'ny Fanahy Masina.HAhita malaky ireo fomba hanatsarana ireo rano fisotro hatahorana ho an'ny fahasalamana. Ary ho tsara tantana anie ireo fanehoam-pitiavana avy amin'ny mpiray tanindrazana sy avy ivelany. Ny herin'Andriamanitra no iankinantsika rehetra hahatanteraka ny faniriana. Amen
Anarana
MAEVA BERNARD
(72)
Fanampin'Anarana
YORAH SALEMA
Daty
20 mey 2003 23:20 GMT
Firenena
France
Fangataham-bavaka
Mivavaha ho ahy mba ahazoako mifikitra tanteraka @ ilay ANDRIAMANITRA MAHERY satria mandalo ady sarotra aho.Aza hadino koa ny mitondra am-bavaka ny fikasako ny volana AOUT izao
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12