Misy fangataham-bavaka
58
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Anarana
ANDRIAMANANA RATON
(93)
Fanampin'Anarana
lOVASOA Ny Aina
Daty
14 aogositra 2003 18:03 GMT
Firenena
France
Fangataham-bavaka
Mangataka mba ho entina am-bavaka ny fiainana aram-panahy sy ny fiainana ireo Ray aman-dReny any an-tany lavitra any Mada mba tsy hisy ny fihemorana ary mba tena mba hatoky sy hiorina tsara ny finoana Misaotra @ fiaraha mivavake, dia isaorana anie ny Tompo
Anarana
RAMAROIZAIFELANIRINA
(92)
Fanampin'Anarana
Marie Yvette
Daty
14 aogositra 2003 14:41 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
mangataka vavaka aho hoan'ny diako izay ataoko any Tanà mikasika ny fanapahan- kevitra izay ho raisinay sy ny olo- tiako mba hanjaka ny fahendrena avy amin' Andriamanitra amin'izany fihaonana izany
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(91)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
02 aogositra 2003 18:47 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka ho an'ireo mpivaro-tena, ary tononona manokana ireo zazavavy kely 10 ka hatramin'ny 18 taona, mba ho afaka amin'izay mangeja azy ireo. Ary koa mangataka fampaherezana ho an'ireo sampan'asa miandraikitra azy ireny ahafahany mitarika ho amin'ny fanafahana sy ny fiverenana ao amin'ny sahan'ny Tompo Jesoa Kristy. Ny Tompo anie no hitarika amin'ny ezaka famonjena ho an'ireo mpivaro-tena. Amen
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(78)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
26 jona 2003 06:45 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka ho an'ny fihaonam-ben'ny FFPM(Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagascar) izay hatao ny 01-06 Jolay any Toamasina. Hiseho anie ny voninahitr'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fandaharan'asa izay hodinihina hampandroso ny fitoriana ny Filazantsara. Ho vavolombelona marina eto amin'ny firenena anie ireo fiangonana protestanta maneho fifankatiavana.Amen
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(77)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
22 jona 2003 18:57 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka ho amin'ny filaminana mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena izao. Homen'Andriamanitra fahendrena anie ny mpitondra isan'ambaratonga. Ho tanteraka an-tsakany sy an-davany anie ireo tetikasa hiadiana amin'ny fahantrana. Handray andraikitra tokoa anie ny rehetra amin'izany. Ka ny herin'Andriamanitra irery ihany no hany itokian'ny rehetra hahatanteraka ny fikasana. Amen
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12