Misy fangataham-bavaka
58
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Anarana
dimby
(100)
Fanampin'Anarana
Daty
19 desambra 2003 21:29 GMT
Firenena
France
Fangataham-bavaka
mangataka vavaka ho an'i rachel mandalo fotaontsarotra
Anarana
Rina
(98)
Fanampin'Anarana
Zoely
Daty
10 novambra 2003 12:35 GMT
Firenena
France
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka ho an' ny tokatranoko, izay ao anatin' ny olana be ara- bola @ izao fotoana izao, sy ny vadiko marary . Mangataka vavaka ho an'ny namako iray ao Paris koa izay sahirana ara- pahasalamana ny vadiny . Ary mangataka vavaka ho an'ny fianakaviako aty Madagasikara, hitombo finoana an'Andriamanitra sy hahazo ny fahasoavany be dia be . Dera ho an'Andriamanitra irery ihany, Isaorana ny anaran'i Jesosy ary samy ho tahiany aby anie isika rehetra . Amen .
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(97)
Fanampin'Anarana
Charnette
Daty
25 oktobra 2003 14:22 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka fiombonam-bavaka ho an'ireo toerana roa vao avy notsidihana tany Vatomandry (Amboditavolo sy Niherenana)any Toamasina izay manana harena an-kibon'ny tany. Kanefa dia tena be areti-mandoza maro amin'izao fotoana izao. Ho tanteraka anie ny ezaka ho amin'ny fanaovan'ireo tantsaha ho ara-dalana ny fitrandrahana ataony. Ary ho voatsangana anie ny tetikasa ho amin'ny fanentanana amin'ny ady atao amin'ny areti-mifindra rehetra. handray andraikitra feno anie ny Fiangonana Kristiana amin'ny fitoriana takiana ho amin'izany toerana izany. ny herin'ny Tompo no iankihinantsika rehetra amin'izany ady rehetra izany.
Anarana
Mialy
(95)
Fanampin'Anarana
Ranjanivo
Daty
23 septambra 2003 04:26 GMT
Firenena
Etats-Unis
Fangataham-bavaka
Dia mangataka vavaka aminao namana kristiana ho an'ireo rehetra mahita fahasahiranana amin'ny fivelomana, ny tanora malagasy tsy mahita asa na aiza na aiza, ny mpianatra miezaka nefa tsy afaka fanadinana, ny olona vonoin'ny vadiny, ny ankizy vavy maro izay tsy avela mianatra, ny fahantrana izay manjaka any Madagasikara. Mivavaka mba hitodika amin'Andriamanitra tokoa ny fon'ny kristiana ka hahatsiaro ireo hafa izay mila fanampiana ary indrindra mila an'Andriamanitra marina.
Anarana
ANDRIAHARIFARA
(94)
Fanampin'Anarana
Manitra
Daty
29 aogositra 2003 12:46 GMT
Firenena
Canada
Fangataham-bavaka
Manao ahoana daholo, Efa ho volana vitsivitsy izay no nahatongavanay mivady teto Montreal (Canada) rehefa avy nianatra tany Suisse. Tonga eto izahay mba nieritreritra ny hiasa sy hitady izay mahasoa. Betsaka ny dokam-barotra nataon'ireo olona miasa tao @ Bureau d'immigration ka nahatonga anay hanorim-ponenana aty izao. Tsy arakarak'izany anefa ny zava-nitranga fa sarotra be ny fahitàna asa sy ny fanorenana fiainana vaovao. Mba mangataka vavaka amintsika, satria tena mila an'izany izahay. "N'aiza n'aiza ianareo no mivory @ anarako, hoy ny Tompo, dia eo afvoana aho". Dia fa misaotra sahady antsika rehetra mahatsiaro. Mirary soa samy ho tahian'Andriamanitra. Manitra
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12