Misy fangataham-bavaka
58
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Anarana
CRISTOL
(108)
Fanampin'Anarana
Zoelinirina
Daty
28 aprily 2004 16:55 GMT
Firenena
France
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka ho an' ny tokatranoko izay azon' ny trosa be noho ny fifandisoan' ny papiern' ny tribonaly . Mangataka vavaka ny mba hisian' ny recours, sy handoavanay ny trosa tokony halohanay ihany . Misaotra ny Tompo aho, ary na inona na inona miseho dia tsy hialako aminy izany . Ho Azy irery ny Voninahitra, Dera, Laza ambony indrindra . Amen .
Anarana
ANDRIASOLOFOMALALA
(107)
Fanampin'Anarana
Hamélie
Daty
23 aprily 2004 10:25 GMT
Firenena
Macao
Fangataham-bavaka
Miarahaba antsika rehetra Tompoko, Mangataka vavaka ho an'ny Firenena Malagasy, ho an'ny Ny Filoha sy ny Mpitondra isan-tsokajiny avy, ho an'ireo Ray aman-dReny am-panahy isan-tsokajiny avy ary ho an'ny vahoaka malagasy tsirairay avy mba handray ny teny fiainan'i Jesoa Kristy. Ho an'ny fianankaviako rehetra sy ny ankohonako. Misaotra indrindra Tompoko!
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(106)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
18 aprily 2004 18:34 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka ho an'ny mponina ao Maintinandry, tanana nilaozan'ny lalana ka zary tanana maty. Feno fahakiviana ny mponina ka mila fampaherezana mafy, anatin'izany ny mpitondra fivavahana eo anatrehan'ny fahatran'ny olona.Efa tamin'ny cyclone manou no efa voa, nefa hatramin'izao tsy mbola voaarina ny tanana. Ilay Tompon'ny faherezana no anankinana izany vavaka izany. Amen
Anarana
Rahaingonivola
(102)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
19 janoary 2004 16:34 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka fiaraha-mitrotro am-bavaka ireo tanora maro, latsaky ny 18 taona nanapa-kevitra hiady amin'ny zava-mahadomelina ao amin'ny Fiangonana. Hahajoro hatramin'ny farany anie izy ireo ary handresy noho ny herin'ny Tompo Jesoa. amen
Anarana
Rabe
(101)
Fanampin'Anarana
Mialy
Daty
29 desambra 2003 19:34 GMT
Firenena
Etats-Unis
Fangataham-bavaka
Tompo o, eo anatrehan'ny ampitso tsy fantatra dia omeo finoana aho, omeo fahatokiana ny teninao fa mahalala ny mahasoa Ianao, ampio amin'ny lalana tokony hizorana araka ny sitraponao, tsilovy ny foko amam-panahiko hahalala izay tokony mahasoa araka ny sitraponao ary arovy amin'ny ratsy eo ambany fiahianao, aza avela hanahy ny amin'ny ho avy sy ny ankehitriny ary afaho hiala amin'izay omaly tsy mahasoa. Amin'ny anaran'i Kristy Mpamonjy
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12