Misy fangataham-bavaka
58
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Anarana
Randriamparany
(45)
Fanampin'Anarana
Honitriniela
Daty
23 septambra 2002 15:49 GMT
Firenena
Suisse
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka ho amin'ny famitana ny fianarana sy ny fitadiavana asa ary ny fitaizana ny fara aman-dimby. Homba antsika rehetra anie ny Tompo. -- Honitra.
Anarana
RAMANANDAFY
(44)
Fanampin'Anarana
Njaka
Daty
17 septambra 2002 14:31 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Noho ny opération hatao @ vadiko (Mme Zouzou) dia mangataka antsika mba hitrotro amam-bavaka izany izay hatao ny alakamisy tolakandro. Halàna mantsy ilay kyste kely eo @ nono sao lasa mivadika cancer any aoriana any hoy ilay dokotera. Tsy dia hoe kivy izy na dia opération faha 3 tao anatin'ny 4 taona io (abcès tsindrona ny voalohany ary appendicite ny faharoa). Kanefa na izany aza mangataka ny hivavahana ho azy mba ho sitrana haingana ny fery sady mba tsy dia hosahirana izahay 3 mianaka kely. Dia misaotra mialoha ary ny Tompo hitahy.
Anarana
Rahaingonivola
(37)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
11 septambra 2002 17:39 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka fitrotroana amim-bavaka ho an'ny Firenena Malagasy. Tonona manokana amin'izany ireo mpitondra mba ho feno fahendrena avy amin'Andriamanitra amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara. ary ireo Mpiandraikitry ny asa fampandroasoana rehetra misy manerana ny Nosy
Anarana
Razafimananantsoa
(21)
Fanampin'Anarana
Jeremia
Daty
29 aogositra 2002 12:23 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangata-bavaka ny mba omen'ny Tompo ny fahendreny mandrakariva ary hahatontosa tsara ny andraikitra eo @ ankihonana, asa ary ny fiangonana. Mangataka koa aho mba omen'ny Tompo fahendrena koa i Ony (3 taona) zanakay.
Anarana
Ranjanivo
(19)
Fanampin'Anarana
Mialy-Tiana
Daty
29 aogositra 2002 06:51 GMT
Firenena
Etats-Unis
Fangataham-bavaka
Tompoko, "Hoy ny soratra masina: mifampivavaha mba ho sitrana ianareo fa ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra" Mba trotroy amim-bavaka aho rehefa mamaky ity ianao hahavita soa ny fianarako sy ny fifehezan-tena rehetra ilaina amin'izany. Mangataka fahasalamana indrindra amin'ny Tompo koa aho satria marisarisa ny ratsan-tanako ka mora reraka rehefa mitendry ordinatera nefa tena ilaiko indrindra izany izao. Misaotra Tompoko, ary ho aminao anie ny Tompo! Mialy-Tiana
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12