Misy fangataham-bavaka
58
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Anarana
bodo
(143)
Fanampin'Anarana
Daty
19 desambra 2006 12:50 GMT
Firenena
France
Fangataham-bavaka
Andro lehibe ho anay telomianaka ny andro anio amin'ny fiandrasana ny taratasy ahazoana mipetraka tanteraka aty france , ka mba mangataka vavaka mba hanamafy hatrany ny finoana ato anaty fa i Jesoa Kristy irery ihany no vahaolana amin'ny fiainana iainana rehetra ka rehefa miaraka aminy sy matoky azy amin'ny fo sy fanahy dia tsisy ny tebetibetsaina ary indrindra tsy ho voahozongozina ny finoana ato anaty!
Anarana
dimby
(136)
Fanampin'Anarana
Daty
26 aogositra 2006 03:03 GMT
Firenena
France
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka ho an'ny fianakavian'i Miarisoa @ zao namoizany ny reniny izao, androany 26/08 no hatao ny fandevenana, dia mba tsarovy @ vavakareo fa reny tia ny zanany sy ny zafikeliny ary nanao zay vitany rehetra teo @ fitaizana azy 4bavy zanany. Tsaroako ny resaka nifanaovanay fony izaho nandalo tany aminy: nampahiratra ny masoko ny @ fitiavan-janaka. Mahereza daholo ry "Haintso" isany, mivavaka ho anareo izahay fa fitiavana no mandao anareo, nefa tadidio fa mitoetra anatinareo izany fitiavana izany ankehitriny.
Anarana
RAHAINGONIVOLA
(135)
Fanampin'Anarana
Charnette Eulalie
Daty
05 aogositra 2006 14:21 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka fitrotroana amim-bavaka ny "Cybersaf" sehatra fitaizana tanora ao Vatomandry.Asa teraka tamin'ny famakian'ny Malagasy iray namaky ny témoignage tamin'ny teny Fiainana. Hahomby anie ny fitaizana ara-panahy ho an'ny tanora ao amin'io asa io.Hahery hatrany anie ny mpanabe amin'izany satria mbola be ireo olana sedraina ara-teknika. Hiroborobo hatrany koa anie ny Teny Fiainana izay antoky ny fitsanganan'ny cybersaf. Hiseho hatrany anie ny voninahitr'Andriamanitra amin'ny fiainan'ny tanora.
Anarana
Rina
(133)
Fanampin'Anarana
Cris
Daty
16 janoary 2006 14:28 GMT
Firenena
Madagascar
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka aho,ny hanampian' Andrimanitra ahy, mandritra ny fotoana hitondrako vohoka .. Mba ho teraka soa aman- tsara @ tokony ho izy, ary hanome fahasalamana tanteraka ny zaza ato an- kiboko anie ny Ray .... Misaotra ny anarany Masina aho . Amen ...
Anarana
Andriamalala
(132)
Fanampin'Anarana
daniela
Daty
23 desambra 2005 02:43 GMT
Firenena
Etats-Unis
Fangataham-bavaka
Mangataka vavaka ho an'ny fianarako mba ho arovan'ny Tompo mba ho vita soaman-tsara na dia eo aza ny fanembatsembanana samihafa. Dia mba ho hendry sy ho matotra ny olona izay tiako. Mametraka hatrany ny zavatra rehetra @ ny Tompo sy mahatoky fa tsara ny Tompontsika, fa Izy manana ny hevitra izay hiheverany ny olony tsirairay avy, ary mankahery antsika rehetra mba hazoto sy tsy hitsahatra ny hivavaka ka tsy reraka, ary hiezaka hatrany koa hanaja sy hanoa Azy @ zavatra rehetra. Ho Azy irery anie ny voninahitra.
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12