VALIM-BAVAVAKA: “hiasa ao amin’ny sahan’ny Tompo”

Vita soa aman-tsara ny volana Mars 1984 ny fianarana tao amin’ny EESSA, département Elevage. Zatra nandray pré-salaire moa dia nanampy ilay mpira-mianatra tamiko nanjaitra “confection” aho. Tafaraka samy tia zaitra moa dia samy nilofo. Gaga sy kivy ny raiko raha nahita anay roavavy samy nahavita fianarana nefa tsy mikasika ny fiompiana. Nanomboka tonga saina tokoa aho, satria toa diso lalana, fa toa nandany 04 taona ho amin’ny zavatra hafa.

Sendra nandalo ny “cousin”-ko iray izay nanao soso-kevitra ny hiaraka hanao fiompiana kisoa,mampiteraka sy mampitombo. Niantomboka tokoa ny trano ho an’ny kisoa. Mbola tsy vita ny trano, indray andro, andro Asabotsy io. Tanin’io taona io ihany , sendra nivavaka irery tao an-trano aho dia niresaka tamin’ny Tompo hoe vita izay ny fialangalanana Tompo.

Satria taloha aho dia miala olana hatrany rehefa asaina mivavaka imasom-bahoaka , na dia ao amin’ny chorale aza; Dia ampitahoroko ny rahavaviko roa hoe ho menatra olona eo ianareo fa lazaiko hoe mangovitra aho, na miboredika (kanefa tsy izany akory). Izaho sy ny Tompo ihany no tiako mifampiresaka fa tsy imason’ny olona.

Tamin’ny fotoana nianarako teny amin’ny Agro moa dia ny fotoana tsy ampy no nanilohako tsy andraisako anjara ao am-piangonana.
Tamin’io andro io andro io kosa dia nangataka tamin’ny Tompo aho hoe vita izay ny lasa fa iriko ny hiasa ao amin’ny sahanao; Tena iriko izany hoe ingénieur kristiana izany.

Ny nahagaga dia ny ampitso ihany ny andro alahady, tamin’ny tolakandro dia nisy namako tonga tao an-trano niaraka tamin’olona tsy mbola hitako. Hay Directeur ny SAF/FJKM. Tsy fantatro akory izany kanefa aho FJKM, fa ny FLM ihany no heveriko hoe misy izany. Nambaran’ilay namako fa ny profil –ko no mifanojo amin’ilay tadiaviny. Tany amin’ny mémoire tsy mbola vita sy ny trano kisoa tsy efa no nialako bala indray. Dia nifanarahana ary fa afaka telo volana dia miverina izy. Kanefa dia hadinoko tanteraka.

Dia nampiantso izy ny voalohandohan’ny volana Novembre . Mbola andro alahady hatrany io. Ary nambarany fa raha tena hiasa aho dia tongava ny Talata manaraka na vita ny mémoire na tsia.. Teo aho vao nahatadidy fa hay moa izaho no nangataka ; Tonga dia nanaiky aho ary dia lasa tany Ambatolampy. Tsy nanontany karama akory aho fa dia natoky hoe valim-bavaka.
Afaka 5 volana vao nampahatsiahivin’ilay Tale hoe, tsy misy demande anie napetrakao ary tsy nisy akory koa contrat fa izahoo no namely hoe: Efa nalefa direct tany ambony ny ahy dia efa contrat vita koa.

Hatramin’izay ka hatramin’izao dia tao min’ny SAF/FJKM no niasa. Telo taona tao Ambatolampy. Fiompiana Kisoa, sy omby mpamokatra rono ary fromagerie no notanako.

Fa avy eo dia nanohy taty Toamasina, ary ny olona no tena nokarakaraiko tamin’ny alalan’ireo fikambanana te handroso, Tsy nikitika biby intsony raha tsy efa tamin’ny taona 1999. Zavatra maro no hita tao. Tsy mora foana fa ny zava-dehibe dia voavaha hatrany ny olana. Azoko lazaina fa maro ny fitomboana rehefa ao amin’n sahany no manatanteraka ny fanompoana. Tao ireo fiofanana isan-karazany. Maro ny traikefa azo tamin’ny alalan’ny asa. Maro ny tany hita na ny teto an-toerana na ny tany am-pita.
Mandroso amin’ny lafiny maro ny mpanompo manaiky hiasa ao amin’ny sahany. Satria Tale Jeneraly mitsinjo ny mpiasany ny Tompo Jesoa Kristy.


Ho an’Andriamanitra ny Voninahitra

Rahaingonivola Charnette
Mpiandraikitry ny SAF/FJKM Toamasina
Consultante en Développement Organisationnel

2 3 4 5 6 Pejy manarakaPejy farany
Pejy nataon'i Rasoloarijao Lala / 15 septambra 2002