Ao anatin'ny roa toana no hampodiako...

Izay ho tantaraiko aminao dia izay nataon'ny Tompo ahy.

Efa nanaraka an'ny Tompo aho t@ 1975 tany Madagasikara tao @ GBU aho t@'izany. Nafana fo tokoa tamin'izany. Lasa taty Frantsa aho t@ 1976 nanohy fianarana. Fitiavan'ny Tompo izany satria aho teraka tany Tamatave dia nahazo ny "quota"-n'ireo avy fiaviana any, ka nahazo bourse aho t@'izany. Tonga taty Frantsa dia nitarika ny fiangonana malagasy tao Lyon aho (nitory teny, nanao choral, sns...). Toana vitsy vitsy avy eo dia tsy nafana intsony aho, fa dia nangatsiaka.

Nety tsara ny fiainana hatramin'ny faran'ny volona mey 1995...T@ io fotoana io aho dia naiditra hopitaly dia tao anatin'ny "coma" nanditry ny iray volana sy tapany. Efa niandry ny hafatesako in-5 ny vady aman-janako. Hatramin'izao dia tsy fantatra izay nahazo ahy.

Ny zokiko lahy no tonga namangy ahy taty t@ jolay 1995. Ohatran'ny nofy fotsiny ny fahitako azy. Niteny zavatra betsaka tamiko izy fa tsy misy tsaroako izany fa mbola vao nanomboka nifoha t@ "coma" aho. Ny tenin'Andriamanitra novakiany t@ izany (nanoratra tamiko vao haingana izy mitantara izany) dia izay hita ao @ Jeremia 28:3 "Koa ao anatin'ny roa toana no hampodiako ho amin'ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah izay nalain'i Nebokadnezara". Raha vao namaky io teny io izy dia natoky izy fa tsy maintsy ho sitrana aho. Nifoha soa aman-tsara t@ "coma" ihany aho noho ny fitiavan'ny Tompo. Tsy niteny mihitsy aho tamin'ny nifoha. Efa roa na telo herinandro avy eo vao niteny. Voatery nianarana daholo ny zavatra rehetra (nandeha, nanoratra, niteny...).

I Nebokadnezara dia azo lazaina ho ny Devoly izay mandrobaka ny soa efa azo teo @ fiainana fa hoy Jehovah : " ao anatin'ny roa taona no hampodiako ...". Tampoka mihitsy ny faharariko, fa tsy nisy fidiram-bola intsony izahay. Soa ihany fa nisy ny Tompo nihahy anay t@ izany. Ny olona ary gaga fa ahoana ary ny aton'ireo mba hivelomana. Rehefa metimety ny fiainanao dia betsaka ny namana sy ny havana. Fa raha vao ren'ireo hoe narary aho dia tsy hita intsony ireo, fa ny Tompo teo mandrakariva. Izy tsy mba nandao anay, tsy mba manary na ovina na oviana Izy.

Efa manomboka tanteraka tsikelikely izany teny izany, satria efa miverina ny "capacités physiques" rehetra, fa ny fitenenana no mbola miadana sy mihidy vazana raha vao miteny. Mangataka amin'ny Tompo isan'andro mba hanatapatapahiny ny gadra izay mamatotra ahy.

Efa nanomboka niasa koa aho t@ 25 marsa 1997. Ny fitenena sisa dia ho tanteraka io tenin'ny Tompo io. Mahatoky izany aho. Mahatoky ny fahasoavany. Matoa aho tsy navaleny hilatsaka tany andavaka dia satria misy zavatra tiany hataoko.

Nahafantatra an'ny Internet aho t@ 18 jona 1996. Nianatra ny "langage" HTML aho, efa "maîtriser"-ko tsara izy izao, hiderana ny Tompo izany. Nahafinaritra ahy satria afahana mahatratra olona maro eran-tany. Satria hoy ny tenin'ny Tompo ao @ Marka 16:15 "..mandehana any amin'izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra".Te hitory ny tenin'ny Tompo @ alalan'ny Internet aho . Novalian'ny Tompo izany hetahetako izany t@ nahalalako ny Teny Fiainana. Na dia mifanalavitra ary ny toerana ipetrahana dia ampiraisin'ny Tompo ihany @ ny alalàn'ny Internet. Misaotra ny Tompo betsaka aho t@ ny fisian'ny Teny Fianana.

Misaotra sy midera ny Tompo aho t@ ireo zava-tsoa efa nomeny ahy. Ary ny Tompo momba ahy mandrakariva @ izay rehetra ataoko. Hoy ny Tompo ao @ Salamo 121:8 "Jehovah hiaro anao na mivoaka na miditra hatramin'izao ka ho mandrakizay."

Izany no tiako hozaraina aminao. Na dia mafy aza ny zavatra manjo ahy dia tanana tsara ny finoana. Apetraka Aminy ny enta-mavesatra dia maivana izany. Matio 11:28 "Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.". Apetraho @ Tompo izay rehetra manahirana anao ahitany vaha-olana izany. Mahereza @ fanarahana ny Tompo. Tsy moramora izany fa mila fiambenana sy finoana. Ny Tompo anie hanome hery anao mandrakariva @'izay rehetra ataonao.


Rasoloarijao Lala

Pejy nataon'i Rasoloarijao Lala / 31 mey 1997