Akon'ny fivoriana fankalazana ny fivoahan'ny baiboly DIEM

Pejy fandraisana

Toy izao ny akon'ny fivoriana fankalazana ny DIEM tany New Jersey izay natrehin'ny solon-tena tao amin'ny Teny Fiainana, Mialy Rabe.

  1. Namelabelatra ara-tsary sy an-tsoratra ny tantara niforonana, asa imasona, tanjona, asa miaka ny TF tamin'ny takelaka lehibe.
  2. Fiforonany 31 Marsa 1996 teto amin'ny serasera gasy. Fijoroany ara-panjakana 10 Oktobra 2000 eto Raleigh, NC. Ny anarany ara-panjakana dia World of Life Christian Ministry-Teny Fiainana. Ny fandaharana dia faha 392 izao ary mivoaka isan-kalahady eto amin'ny seraseragasy 2 sy seraseragasy any USA ary ny lisitra TF. Manao asa sosialy izy ary mampifandray izany ho fitoriana filazantsara. Manohana mpanao tafika masina any Madagasikara, Manome baiboly ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra, Manohana ny Sekoly Ezaka amin'ny fiompiana akoho sy fizarana loka; io sekoly io dia mpitarika ankizy hianatra sekoly alahady, Manoratra gazety ho amin'ny fokonolona gasy izy Mitantana tranokala izy Mbola mitady malagasy hanohana amim-bavaka sy ho mpikambana manohana ara-bola izy ($7 ho an'ny ankizy, $20 ho an'ny lehibe, $350 mpikambana mandra-pahafaty). Ny mpikambana dia mahazo kalendrier TF 2004, stylo aloalo, boky mirakitra TF be mpitia indrindra, bokotra TF, gazety TF sns... Mandray fangataham-bavaka koa ny TF ary misy mivavaka amin'izay mangataka vavaka.

  3. Namelabelatra am-bava izay voalaza tamin'ny poster ary namaly ny fanontanin'ny fokonolona malagasy nanatrika koa ny solontena TF: Ireto avy ireo fanontaniana ireo sy ny valiny tamin'izany:
    1. Ahoana no fandrindran'ny mpikarakara ny TF ny asany Ahoana no isafidian'ny TF ny olona mirotsaka ho mpikarakara ny TF?

      Misy 'calendrier' faritana isaky ny 6-mbolana ho an'ireo mpandray anjara na mpikarakara TF misy ny toriteny, lohahevitra, fampianarana soratra masina hatao rehetra ara-potoana. Efa misy ny daty, ny soratra masina na lohahevitra ho toriana amin'izany. Mandefa izany amin'ny alakamisy any amin'i Mialy na miala tsiny raha tsy afaka tampoka.

    2. Ahoana ny fomba mety tokony hampitan'ny TF ny mikasika azy ho fampahalalana ny malagasy maro satria ilay nanontany dia tsy mbola nahafantra ny fisian'ny TF (Dr. Daniel Minessota).

      Be ireo malagasy izay tsy eto amin'ny itnernety tsy afaka mahafantatra ny asan'ny TF. Nandray e-mailn'izy ireo ny mpikarakara ary mampanantena fa hilaza vaovao izay misy araka izay tratra. Hatramin'izao aloha dia am-bava ihany no nampahafantarana ny asan'ny TF fa tsy nanao dokam-barotra. Ny web dia http://teny.fiainana.free.fr

    3. Nahoana no faritra voafetra any Madagasikara no hampian'ny TF? Misy fikasana ve ny hanitatra ny asa any amin'ny faritra hafa any Madagasikara?

      Faritra kely any Antsiranana izay misy ny sekoly Ezaka no nifantoran'ny asa sosialy nataon'ny TF satria misy olona mahatoky afaka nanohy ny asa any amin'ilay tanana ary koa vonona ny hitory ny filazantsara. Niainga tamin'ny hetahetan'ireo fokonolona amin'io faritra Antsiranana IV io ny fikasana nanampy azy. Satria ny hetahetan'izy ireo no nitarika fanohanana.

    4. Inona no tena manosika ny fanampiana ara-tsosialy: ny fitadiavana vola aty ivelany ve sa ny hanao asa any an-toerana:

      Ny vola kely azon'ny TF taty ivelany dia niainga tanteraka tamin'ny hetahetan'ireo malagasy avy any M./kara ary ny vola azo dia 95% nanatanterahana ny asa. Ny 5% kosa dia fandefasana vola sy fifandraisana raha misy. Marihina fa tsy mbola mihoatra ny $3000 akory ny vola azon'ny TF hanohanana ny asany any M/kara.

    5. Ahoana no hanazavan'ny mpandrindra ny TF ny fironanao amin'ny politika sy ny fitorianao ny filazantsara (Zina Randrianarivelo-Razafy. Ambasadera) toy ny amin'ny Hetsika Diaspora.

      Mandray anjara arak'izay fahafantarany ho fijoroana amin'ny fahamarinana sady fijoroana vavolombelona amin'ny asa fanasoavana sy fampandrosona ho voninahitr'Andriamanitra i Mialy. Tsy mambran'ny antoko na iza na iza izy fa kosa nanao KDTM tamin'ny izy 14 taona. Raha ny asan'ny HETSIKA DIASPORA izay notarihany kosa: Voalaza ao amin'ny charten'ny Hetsika Diaspora fa tsy mirona amin'ny politika velively izy.

    6. Ahoana no hampivadin'ny TF ny asa sosialy sy ny asa fitoriany? (Allain lehiben'ny CAP/Michigan) Mbola mitohy ve ny asa fandefasaka savony? manohana isam-bolana ve ny TF na mandefa vola isam-bolana? Ireo asa sosialy rehetra imasona'ny Teny Fiainana any M/kara dia misy fitoriana filazantsara avokoa.

      Ilay soritrasa nampianatra ny vehivavy namaky teny sy manoratra dia nizarana baiboly tamin'izy ireo ho fanomezana raha vita ny fianarany. Ireo mpianatra ao amin'ny sekoly izay anaovana ny fiompiana akoho (atody varotany handoavany ekolazy - ankizy iray manana akoho 1) dia itaritana ireo zaza ho amin'ny sekoly alahady izay fiangonana eo ankaiky ny tanana eo ihany. Ireo tanana nanampiana vola miaraka tamin'ny malagasy maro teto amin'ny serasera tamin'ny fahavoazana tany Antsiranana dia narahina tafika masina nony avy teo. Tsy manohana isam-bolana ny TF fa manao soritrasa maharitra amin'ireo faritra kely ireo arak'izay voalaza eo ambony. Ny mora indrindra nandefasana vola hatramin'izao dia ny Western Union izay tonga any amin'ny nandefasana vola.

Tanjona: ny hanamafy ireo asa efa misy hitarika olona maro ho an'i Kristy, hitady mpanohana malagasy sy vahiny hanohana ara-bola ny asa efa atao. Hanohy gazety, hanatsara ny web, hanatsara ny fandaharana efa mandeha isan-kalahady.

Dia mamerina fisaorana ny mpikarakara ny fihaonam-be kristiana toa ny Pastora Andriany sy ny loholona Rolls Rafamantanantsoa. Mialy Rabe Mpandrindra ny TF RAleigh, NC, USA PS: ialana tsiny raha ohatra ka misy tsy voatonona ny anaran'ireo izay nametraka fanontaniana.

Pejy fandraisana

Pejy nataon'i Lala Rasoloarijao / 27 oktobra 2003