Ho entina amim-bavaka volana Oktobra 2003
- ny marary mamoy fo
- ny fiarovana ny haren'i Madagasikara tsy atao varo-bobo
- ny hananan'ny filoham-pirenen'i Madagasikara fahendrena, fahamarinana, fahatanjahana, mpanolo-tsina hendry
- ny tsy hanimban'ny fironana politika ny fiainam-piangonana
- ny hery ho an'ny mpanao tafika masina sy mpitory filazantsara
- misaotra an'Andriamanitra noho ny fivoahan'ny dikan-teny vaovao sy iombonan'ny baiboly malagasy
Pejy nataon'i Rasoloarijao
Lala / 06 oktobra 2003