Fety
kristiana
|
Ny sasakalin'ny 24 Desambra no fankalazana
ny Krismasy any Alemaina. Feno hipoka ny fiangonana amin'io satria mamonjy
fiangonana avokoa ny ankabeazan'ny olona. Voaravaka jiro sy labozia maro
loko ny alitara ary atao miharihary eo anoloana Jesoa zaza, hodidinin'ny
lamban-jaza ary misalanitra ao anaty fihinanam-bilona, akiraviravy koa
ny kintana lehibe manandrambo mamirapiratra. Miara-miredona ny hira "Stille
Nacht" (alina masina) sy ny "O Tanenbaun" (Mon beau sapin)
ravahin'ny mozika klasika voaomana tsara mampiavaka an'i Alemaina ny mpamonjy
sasakalina. Manolotra amboaran-kira klasika koa ny "Chor" na ny
antokom-pihira. Mitohy ny 25 Desambra maraina ny fety.
|
Olivanaina
Rakotodavid
Marburg, Alemaina
|
|