Any
Antsiranana, hazo manga no ravahina atao hazo krismasy rehefa vitsy
iny ny hazo pina.
Rangahy
be fiantrana avy any Myra (Tiorka taloha) antsoina hoe Snt Nicolas (400AD)
na "Sinterklaas" amin'ny teny Holand-zy no nahatonga ny dadabe noely
(Santa Clause). Saron-kenatra nefa be fiantrana rangahy io, indray krismasy
nandatsaka vola tanaty kitapo lamba tamin'ny seminey ho an'ny fianakaviana
sahirana izy no sendra tafarotsaka tao anaty ban-tongotra nahay ny vola
ka mahatonga ny fieheverana ankehitriny fa midina @ seminey dadabenoely
mitondra fanomezana ho an'ny ankizy.
Tamin'ny
taona 1840 tany Angletera no niantombohan'ny fampiasana karta voalohany
ho fiarahabana tratry ny krismasy. Niroborobo fatratra ny fifamoivoizana
an-dàlamby tamin'iny taon-jato iny ka nidina ny saran'ny paositra ary
nahazo nandefa karta tamin'ny vetsikirobo (penny)
monja ny olona.