Magy

 

IREO MAGY, HERODA ary ny kintana

Matio 2:1-12,16 "Ary rehefa teraka Jesoa tao Betlehema an'i Jodia, tamin'ny andron'i Heroda Mpanjaka, indreo nisy magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:'Aiza ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany?'" Izany fanontaniana tsotra sy feno fanantenana izany no nitondra horohoro tamin'i Heroda lian-dra sy tia fahefana nanjaka tamin'ny 37BC(Before Christ)-4AD(After Death). Niezaka namotopototra ny lohan'ny mpisorona fatratra izy ny amin'izay hahitany ity voalaza ho Mpanapaka ny Jiosy avy ao Betlehema faritra iadidiany.. Natahotra ny toerany izy, natahotra ny hirodanan'ny fitokisan'ny Romana azy. Nahagaga anefa fa dia ireo Magy vahiny ihany no nahay nanaraka ity kintana ka tonga tao an-tranon'omby nahaterahan'i Kristy nitsaoka azy tamin'ny fifaliana. Na manjopiaka sy lehibe aza ity kintan'i Kristy, ireo izay mitady azy amin'ny fo madio ihany no hahita azy tahaka ireo magy 3 lahy.

 
 
Pejy nataon'i Rasoloarijao / jona 2000