Krismasy Japonezy

Ny krismasy aty Japana dia tsy ankalazaina amin' ny fomba kristiana. Mbola tsy ampy 1% n'ny mponina 160 tapitrisa mantsy ny isan' ny kristiana ary na ny krismasy aza dia ovain-dry zareo hoe X-mas;tsy misy ny anaran'i Kristy. Andro fiasana noho izany ny 25 desambra ary fety toy ny fety rehetra ihany ho fifanolorana fanomezana, fiaraha-mikorana sy mihinanana hanim-pito loha miaraka amin'ny havana aman-tsakaiza ary fifanakalozana karta fiarahabana sy firarian-tsoa. Atao miravaka mamirapiratra aok'izany anefa ny tanàna amin'ny jiro mipipiaka toa milalao sy mifanenjika. Fety mampandeha varotra koa izy satria hiboka ny mangazay vaventy ifanosehan'ny olona mividy kilalao sy fanomezana samihafa manararaotra ny fihenam-bidy mihoapampana. Ny fahitalavitra kosa mandefa rindrankira, oronantsary sy fandaharana fialam-boly manokana saingy tsy fankalazana ny fahaterahan'i Kristy. Manangana hazo krismasy ny fianakaviana sasany ary mizara kilalao ho an'ny ankizy dadabe noely manao lava somotra fotsy sy misalotra lamba mena toy ny dadabe noely rehetra. Krismasy any am-piangonana: Mamonjy fiangonana ireo kristiana vitsy an'isa ho fankalazana ny fahaterahan'ny Mpamonjy. Ny alin'ny 24 na/sy 25 desambra ihany no afaka anaovana izany noho ny maha andro fiasana ireo. Mitafy tsotra tahaka ny andavan'andro ihany fa tsy mihaingo ny mpiangona. Ny fiangonana falehako dia mampirehitra labozia marobe sy girilandy samihafa amin'ny 24 desambra andravahana fiangonana, ary misy fampisehoana an-dampy hazo ataon'ny sampana, tsy mbola manana antoko mpihira ny fiangonana japonezy. Maro ireo tsy mpandeha mivavaka mandavan-taona no mamonjy krismasy ka mba misimisy kely ny isan' ny mpiangona. Miafara amin' ny fandraisana ny fanasan' ny Tompo ny fotoana ary fiaraha-mifaly mihinana mofomamy antsoiny hoe "cake". Dia velona ny fifampiarahabana hoe:"kurisumasu wo omedetou gozaimasu." midika hoe:"arahaba tratry ny krismasy e!'.

"Voninahitra amin'ny avo indrindra ho an'Andriamanitra! Ary FIADANANA ho ety an-tany amin'ny olona ankasitrahany"Lioka 2:14

Tantely Andriamanankasina
Hokkaido, Sapporo, Japana

 
 
Pejy nataon'i Rasoloarijao / jona 2000