Krismasy Fiadanana
"Fa Zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika, ny anarany atao hoe:Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay, Andrianan'ny FIADANANA" Isaia 9:5-6

Mahavariana ny krismasy, majika ny krismasy! Nifanaraka hametra-piadiana ny tafika Anglisy sy Alemaina tany Perl Harbor hankalazana ny sasakalin'ny noely, 24 Desambra 1945 nandritra ny ALII (Ady Lehibe faharoa). Ampifaliana fatratra amin'ny kilalao ny madinika rehetra eran-tany ary na ny zaza mpirenireny eny Analakely aza atao tsara akanjo sy voky toa izay mendrika fahasambarana.Mifanakaiky tampoka ny havana mifanalavitra noho ny firarian-tsoan'ny krismasy. Mamangy antsika tokoa ny FIADANANA notononin'ny anjely fa teraka ny Mpanjakan'ny Fiadanana. "Ny fiadanako hoy Izy tsy mitovy amin'ny fanomen'izao tontolo izao". Jaona14:27.Katsaho ny fiadanany.

Mialy Rabe Ranjanivo

 
 
Pejy nataon'i Rasoloarijao / jona 2000