Mba henonao?
Mba henonao va re izany
feon-dakolosy?
Mamoha an-torimaso ny lanitra sy tany,
Tsy mitsahatra mihira, tsy misasatra mikalo,
Manako hatrany hatrany, mitambolona any ho any?
Mba tsinjonao?
Mba tsinjonao va re pariakan-kitana eny ambony?
Mamirapiratra baliaka, manazava sy manony,
Mampianjaika haingo miavaka ity habak'alin-kisa?
Maniloilo koa ny tany hanalavitra tomany?
Mba tsikaritrao?
Mba tsikaritrao va re fa toa mirana daholo,
Miara-hibok'afaliana
izany voahary manontolo?
Tsiokan-drivotra misafo, kaso-dravina miventy,
Vazom-boronkely taitra , tsikitsiky tsy mba maika?
Mba tsapanao?
Mba tsapanao va re ny dofadofaky ny anaty?
Misonenik'aravoana toa mirebika tsy tanty?
Tsy mitombina toa dodona, feno hira, feno tiana?
Hasambaran-tafotafo, fa vangin'ny fifaliana?
Krismasy ny andro anio,
Krismasy hafa kely,
Krismasy soa miely,
Krismasy fahasambarana.
|