| Ilay Hosodokon'Imaka | ||||||
SOMBIN-TANTARA KRISMASY Tamin'ny taona 1945 no nitranga ny tantara. Nisy lehilahy mpanefoefo iray nantsoina hoe Ratoavina, nanan-janaka lahitokana atao hoe Imaka tao amin'ny tanānan'Andranona faritanin' Arivonimamo iny. Voky harena tamin'ny fampanānam-bola sy dabok'andro izy mianaka ary hany sisa nataony ho fanalana andro ny mitetitety faritany sy miaka-bohitra manangona izay fahatsiarovana velona rehetra mahakasika ny mpanjaka sy ny olo-malaza. Nananany ohatra ny solo-nifin-dRalesoka, ny tongobolon-dRainilaiarivony, ny mosara nitomanian-dRanavalona an'Iledama teny Mahamasina, ny salakan'Andrianampoin-imerina sns... Fata-daza izy mianaka noho izany ary tonga nirongatra tany aminy avokoa ny mpiara-monina izay manan'azy ho varotana, sitrany ahay vola ho enti-miady amin'ny fiainana; tsy nandry mantsy ny tany tamin'izany fotoana izany. Nony tonga ny tabataban'ny 1947, dia nirotsaka nanampy ireo mpiady anaty akata nanohitra ny vazaha tamin'ny sisiny atsimo atsinanan'ny nosy iny Imaka zana-dRatoavina na dia efa norarany mafy ihany aza. Indrisy tokoa, fa tamin'ny tsy nampoizina no nampidaraboka ny tovolahy tamin'ny balam-bazaha raha iny izy nijokojoko nandeha hamonjy ny sakaizany maratra iny. Fadiranovana loatra Ratoavina ary saika tsy nety nionona, zara izy raha nety nivoaka ny trano intsony. Tamin'ny taona 1949, efa lefilefy ny savorovoro no indray andro nisy nandondona ny varavaran-kazo fonenany. Saika tsy hamoa trano izy satria efa nody avokoa ireo mpiasa an-tanānany nefa nisisika ny vahiny ka naleony natrehina. Tovolahy tanora iray, tokony ho taonan'Imaka no tonga nihaotrahotra sy niala tsiny fa mandona andro hariva. Naman'Imaka tamin'ny rodorodon'ny 1947 tany amin'ny vohitr'i Vohipeno izy. Izy no ilay naratra naha-foizan'Imaka ny ainy. Tsy manana n'inon'inona aho hoy izy ho fisaorako azy noho ny vitany sy ny herim-pony fa inty hosodoko kely niangaliako misalotra ny endriny fony izahay niafina vazaha tany amin'ny alan'i Farafangana. Inty ho fahatsiarovana. Ontsa tokoa Ratoavina ary feno ihany ny fony, toa nipongatra tsy satry ny ratram-pery sy ny lasa tsy tian-kifoha. Nokajiany fatratra iny hosodokon'Imaka iny ary nataony haingon'ny efitra fandriany.
Nony nodimandry Ratoavina tamin'ny taona 1967, dia nataon'ny ben'ny tanāna lavanty ny fananany rehetra fa izay no voasoratra tao amin'ny testamentany. Nirohotra ny manankataon'Antananarivo iray vohitra sy ireo tia jerijery rehetra namonjy ny lavantin'ny fananan-dRatoavina mpanefoefo. Tsindrin-daona ben'ihany ny mpanatrika tao amin'ny tranom-pokon'olon'Isotry nitaterana ireo akon'ny lasa sisa tavela. Tonga ny mpanao lavanty. "Inty no hatomboka voalohany." Taitra ihany ny be sy ny maro. Hosodoko efa vasobasoka tsy atao hoe niangalian'olo-malaza ity teny an-tanany. Nahavatra nitsangana avy hatrany ity tremalahy iray sady nidrikina nanao avo feo hoe:"alefaso rangahy ity ny tena zavatra fa mandany andro! Tsy misy lanjany iny hosodoko iny." Ankona ihany ny be sy ny maro noho ny fahasahia ny nefa samy nangina satria niombon-kevitra taminy tsinona. Tsy noraharahin'ity Ingahy mpanao lavanty anefa fa mbola natrangatrangany ihany ity sarihosodoko malahelo:" sarin'Imaka zanany ity! Iza no mila ny Zanany? Ny Zanany? Ohatrinona?" Nangina ny rehetra.Tezitra sy gaga? "Roapolo ariary?"."Telopolo" hoy ny feon'antitra iray nanavatsava avy tany afara. "Alefaso telopolo iny re hirosoana amin'ny tena izy e!" hoy ny maro niombom-peo. "Telopolo, telopolo iray, telopolo roa, telopolo telo." "Inty ary ny hosodokon'Imaka zanany." Nony avy teo dia niato nangina tampoka izy ary don-tokana iray monja no nanapehany ny latabatra nilazany fa mifarana teo ny lavanty. Nifampijery tsy nino ny iray trano ary nitady fanazavana. "Fa ahoana rangahy ity no taperinao sahady ny fividianana a? Ireo ny salaka'Andrianampoinimerina, ny tehin-dRabozaka fa ataonao aiza daholo ireo e?"."C'est ridicule" hoy Mr Fontin administratera tao amin'ny Companie Ville de Rhin. "Aoka, aoka...aoka ary homeko fanazavana ianareo.Tsy navela hilaza ny tsiambaratelon'ny testametan-dRatoavina aho talohan'ny lavanty fa izao no hafany: 'izay mividy ny hosodokon'Imaka zanany no ho tompon'ny fananana rehetra.' Efa an'Atoa Ramboatany izao ny fananana rehetra ka tsy azoko atao lavanty intsony. Koa mifarana ny lavanty". Nodominy tokana indray ny latabatra... Ry havana. 2000 taona lasa izay no nahafoizan'ny Nahary ny zanany teo amin'ny hazo fijaliana hamonjy ny olona rehetra. Sahala ny teniny ankehitriny. Iza no mila ny Zanany? Ny Zanany? Ny Zanany? Raha arakao mantsy ny tantara, ilay nahazo ny Zanany no nahazo ny fananana rehetra. Teraka Jesoa, tsarovana amin'ny krismasy. Raiso ny Zanak'Andriamanitra hampanankarena anao amin'ny fiainana omeny. Tonga namiratra na ny tranon'omby aza. |
||||||