Valiny:
Toerana roa ihany no misy ny olombelona aloha. Ny iray eo ambany fahasoavan'Andriamanitra
ary ny iray ivelany. Hoy Kristy: " Izay tsy momba anareo dia manohitra
anareo ". Ny olona izay efa nandray ny fahasoavan'Andriamanitra niseho
tamin'ny famindram-pony ka niala tamin'ny fahotana sy ny olona manohitra
an'Andriamanitra (ivelan'ny fahasoavan'Andriamanitra) ary mankasitraka
ny fahotana. Ny olona mahatsiaro an'i Jesoa amin'izay ataony rehetra dia
olona efa nanaiky ny hialoka eo ambany fahasoavan'Andriamanitra, ary ny
filazanao fa tsy afaka manatanteraka ny soratra masina dia io no ADIN 'NY
FANAHY izay iarahan'ny olona rehetra efa nanaiky an'Andriamanitra ho eo
amin'ny fiainany. Mila vavaka be be kokoa amin'izay zavatra heverinao fa
tsy afaka tanterahinao. Ny Tompo avy eo no mitarika sy manome hery hahaizana
mankato ny teniny. Miezaka manadino ny tsy fahatanterahana ary manantena
fanavaozana isan'andro. Ary ny Tompo no miara-dalana aminao amin'izany
lalan'ny finoana izany.
Mahereza!
| Mialy Rabe Ranjanivo |
Tsy aiza tsy aiza izy fa eto an-tany ihany! Sa ahoana? ;-))))
Izany hoe, mbola samy eto amin'ny saham-piadiana (battle field) isika.
Indraindray isika mba mety ho solafaka na reraka... Tsara anefa ny manamarika
fa mila mikarakara/mikojakoja ny voa (teny) nafafy ao anaty isika, mba
tsy hijanona ho " fahatsiarovana " fotsiny ihany izany fa ho lasa " finoana
" (hery) hitera-bokatra eo amin'ny fiainany sy ny manodidina (ohatra: fankatoavana
ny tenin'Andriamanitra).
NB:Tsy afaka mampitombo ny finoany tokoa ny olombelona (Andriamanitra no manome sy mampitombo izany), saingy afaka mikarakara izany kosa izy mba hitomboany (amin'ny alalan'ny famakiana isan'andro ny baiboly, ny fifankahazarana amin'ny Jesoa Kristy amin'ny alalan'ny vavaka---samirery na miaraka amin'ny Kristianina hafa, fifampikasohana amin'ny Kristianina hafa...). Mila finiavana sy fotoana izany! Tsaroantsika koa ve ny andinin-tSoratra Masina voasoratra ao amin'ny Jakoba 2: 20 milaza fa " tsy vanona (maty) ny finoana tsy misy asa "? Manao veloma amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompo..
| Rasoava RIJAMAMPIANINA |